Mirongatra ny halatra taribin-jiro any amin’ny lalam-pirenena voalohany, indrindra any amin’ny faritra Itasy. Tamin’ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo, nahatratra 600 m ny taribin-jiro nisy nangalatra tamin’ny zotra «triphasée» eny Soamahamanina. Niteraka fahatapahan’ny famatsiana herinaratra maro izany, nanomboka teo Soamahamanina, Mandiavato, Miarinarivo, Manazary, Ambatomanjaka, Analavory, Ampefy, Mananasy hatrany Soavinandriana. Nametraka fitoriana ho an’ny olon-tsy fantatra ny Jirama, entina hanokafana fanadihadiana lalina. Taorian’izany, nisy ny fivoriana maika tsy maintsy nataon’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny miaraka amin’ny mpitandro filaminana.
Taty aoriana, fantatra fa nisy olona enina nosamborina, voarohirohy amin’ity raharaha ity, ny alakamisy 17 septambra teo.
Tambajotra
Maherin’ny 28 km ny taribin-jiro nisy nangalatra tamin’iny RN1 iny. Efa voasolo, tafaverina amin’ny laoniny avokoa izy ireo, ankehitriny. Tambajotra matanjaka no manao ity asa ratsy mangalatra taribin-jiro ity. Tena ilain’izy ireo ny akora aliminioma sy varahina ao anatiny. Azo inoana fa tsy maintsy ho rava ny tambajotran’olon-dratsy manao izany, satria efa mandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo manam-pahefana. Manentana ny olom-pirenena sy ny mpanjifa tsy ankanavaka ihany koa ny Jirama hiantso avy hatrany ny laharana maitso 547 na manatona mivantana ny masoivoho.
Njaka A.




