Orange Pro League: hihaona ny CFFA sy ny Elgeco

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro fahafito amin’ny fifaninanana “Orange Pro League”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus Analamanga. Lalao ho­tanterahina rahampitso ala­hady, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass. Mari­hina fa samy ao anatin’ny kaonferansy atsimo izy ireo.

Adin’ny mpanazatra ny fifandonana. I Maitre Tipé, ny an’ny Elgeco ary Rasoanaivo Titi ny an’ny CFFA. Samy manana mpilalao sangany tamin’ny Barea Chan ny roa tonta. Anisan’izany ry Carlos, Dadafara, Lalaina, ho an’ny CFFA. Ry Nina, Onja, Doddy ho an’ny Elgeco. Laharana faha-4 ny CFFA, manana isa 8. Eo amin’ny faha-5 ny Elgeco Plus, manana isa 8. Mitovy ny isan’ny roa tonta saingy resy amin’ny isan’ny baolina tafiditra ny Elgeco Plus.
Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao dimy hisafidianana izay mendrika amin’ny OPL Awards 2022 i Nina sy i Lalaina.

Ankoatra azy mirahalahy, misy an’i Dax, mpilalao Fosa Jr, Stephano, vodilaharan’ny Dato FC, Rojobe, mpilalaon’ ny Ajesaia fahiny saingy lasa any La Réunion St Paul FC.

Hifandona ny Fosa sy Cosfa

Adin’ny samy lehibe ny andro fahafiton’ny kaonferansy avaratra. Hifandona ny Cosfa Analamanga sy ny Fosa Junior Fc Boeny. Lalao hotanterahina ny alahady, eny Von­tovorona. Marihina fa mita­rika amin’ity vondrona ity ny Fosa, manana isa 18, eo amin’ ny fahatelo ny Cosfa, manana isa 11.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo lalao rehetra amin’ny andro fahafito :

Kaonferansy avaratra :
Asabotsy 25/02/2023
Kianja Ambohidratrimo
2 ora 30 : TFFC vs AS Fanalamanga

Alahady 26/02/2023
Kianja Alarobia
2 ora 30 : Uscafoot vs Tia Kitra FC
Kianja Vontovorona
2 ora 30 : Fosa Jr vs Cosfa

Kaonferansy atsimo :
Asabotsy 25/02/2023
Kianja elgeco
2 ora 30 : Mama FC vs Dato FC

Alahady 26/02/2023
Kianja Fianaratsoa
2 ora 30 : Zanakala FC vs Jet Kintana FCKianja Elgeco
2 ora 30 : CFFA vs Elgeco Plus
Kianja Toliara
2 ora 30 : 3 FB Toliara vs Disciples FC

Partager sur: