Karaman’i Corentin Martins : Hanefa ny trosa tsy voaloa ny fanjakana

Nitondra fanazavana teny Ambohijatovo, omaly, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tano­ra sy ny fanatanjahantena (MJS) mahakasika an’ireny vaovao miely mahakasika ny karaman’ny mpanazatra Barea, Corentin Martins ireny. Nilaza izy ireo fa nisy tokoa ny fahatarana ny fandoavana ny karaman’ity mpanazatra ity, saingy tsy feno ilay vaovao miely. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MJS, Gaspard Brice Harliva, fa efa nisy ny didy nivoaka teo anivon’ny fi­lankevitry ny minisitra ha­moa­hana an’io vola io ka afaka andro vitsy dia handray ny ka­ramany i Corentin Martins, miaraka amin’ny “prime” an’ireo mpilalao tsy mbola voaloa, nanomboka ny volana marsa 2026 lasa teo.
Nomarihiny fa anisan’ny antony nahatara an’ity fandoavana ny karama ity ny fahataran’ny fanaovan-tsonia vaovao, izay tsy vita ny 21 febroary lasa teo noho ny fisian’ireo fepetra vitsy mbola tsy neken’ity Frantsay teknisianina ity. “Efa roa volana mahery taty aoriana vao vita io sonia io, ka tara vao nanomboka ny din­gana rehetra ara-panjakana. Marihina fa sarotsarotra ary betsaka ny dingana tsy maintsy arahina rehefa mamoaka volam-panjakana”, hoy ihany izy ireo.

Fitia Randria

Partager sur: