Indray mijery

Natokana hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono ny volana oktobra. Ao anatin’izany, mikarakara hetsika iray ho fanamafisana ny fisorohana sy ny fampahafantarana io aretina io ny CHU JRA, izay hotanterahina ny zoma 30 oktobra izao. Maro ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny homamiadan’ny nono eo an-toerana.

Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina niaraka tamin’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny Sakafo (Pam) ny fitantanana sy fampiasana ny RSU, fanavaozana ny angona ary ny fiarovana sy ny fifampizarana izany. Nasongadina manokana ny andraikitry ny RSU amin’ny famantarana ireo tokantrano marefo, fandrindrana ny fanampiana ary ny famaliana haingana ny loza sy ny krizy.

Tiako ny masoko. Io no lohahevitry ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahitana tany Mahajanga, niarahana tamin’ny Société malgache d’ophtalmologie (SMO). Hetsika fampahafantarana sy fanentanana teo anivon’ny CSB dimy tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga.

Partager sur: