Fandaniam-bolam-panjakana: « Tsy maintsy iadiana ny kolikoly », hoy ny Praiminisitra

Natao, omaly, tetsy Anosy, ny loabary an-dasy momba ny fandaniana ny volam-panjakana. Tanjona ny hanafainganana ny famoahana azy hamatsiana ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny vahoaka.

Nitarika ny fotoana ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, notronin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Mazava ny lahadinika, hikarohana ny va­haolana avy hatrany. Nana­ma­fy ny Praiminisitra Rajao­na­ri­son Mamitiana fa tsy main­tsy karohina ny vahaolana fa tsy mionona mitanisa olana. Mano­wme toromarika anareo mpisehatra amin’ny tetibolam-panjakana rehetra aho ho 100% ny famoahana ny vola, manomboka amin’ny 2 novambra 2026 ho avy izao. Notsindriny manokana ny Fandaharanasa ho an’ny fampiasambolam-panjakana (PIP), tena ahitana olana. Ambany ny tahan’ny fampiasam-bola (Taux d’exécution budgétaire), ka mila hafainganina. Jerena ny vahaolana amin’ny sora-panekena (en­gagement), ny taratasim-bola fanomezam-pahefana, ny fandoavam-bola, sns.
Anisan’ny tena nahazoana fitarainana, fony izy tao amin’ny Bianco, ny kolikoly amin’ny tsenambaro-panjakana. Maka ampaham-bola, manodidina ny 3 hatramin’ny 5% ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny mpitambola na tale ara-bola, ny tomponandraikitry ny tsenambaro-panjakana (PRMP), ny mpanara-maso ara-bola, ny Tahirimbolam-panjakana, sns. Raha aravona, tonga hatrany amin’ny 70% ny vola alain’izy ireo, ka ny 30% ihany sisa no tena hanaovana ny asa.

Nihena 1,1% miohatra amin’ny PIB
Notsipihin’ny minisitra, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo, fa tara ny famoahana ny vola, manodidina ny 44,2% ny salanisa, ka tara ihany koa, noho izany, ny fahavitan’ny asa. Miteraka fatiantoka ho an’ny firenena anefa izany. Raha ny tarehimarika, mahatratra 2% amin’ny Vokatra anatiny ankapobeny (PIB) ny fatiantoka ateraky ny fahatarana hatramin’izay. Efa nihena 1,1% izany tao anatin’ny herintaona nisian’ny fitondrana Fanavao­zana ny Repoblika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: