Vaovao tambatra

Hapetraka ny fenitra farany ambany amin’ny fampiasana ny angovo (MEPS), andiany faharoa. Tanjona ny hametrahana fenitra nasionaly farany ambany amin’ny fahombiazan’ny fampiasana angovo, indrindra amin’ny kojakoja ilaina andavanandro sy ao an-tokantrano. Anisan’izany ny fiara elektrika, ny fitaovana fandrahoan-tsakafo mandeha amin’ny herinaratra, sns.

Mitohy ny fanamboarana ny lavadavaka sy ny lalana tena simba mankeny amin’ny toby Amoronankona. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana azy ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny kaominina Alasora ary ny faritra Analamanga. Tanjona ny hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, nanomboka tamin’ny fisokafan’ny Toby fiantsonan’ny fiara fitaterana, mampiasa ny lalam-pirenena RN7 sy RN35.

Tafiditra ao anatin’ny tambajotra RIA ny vokatra herinaratra 3 MW avy amin’ny masoandro any Man­gatany Arivonimamo, manamorona ny lalam-pirenena RN1. Tanjona ny hampitomboana ny famokarana angovo azo havaozina toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro, ampidirina ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) an’ny Jirama.

Partager sur: