Rugby – « XXL Top 20 »: mampiseho ny maha sangany azy ny Cosfa sy ny FTM

Mbola mampiseho ny tena maha ekipa sangany azy eto Madagasikara ny Cosfa miaramila sy ny FTM Manjaka­ray, nandritra ny fifaninanana Top 20 taranja rugby 2023. Lalaon’ ny andro voalohany amin’ny fifaninanana, notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka. Lavon’ny Cosfa tamin’ny isa 118 no ho 17 ny JSTA Ambon­drona. Ny FTM kosa nandresy ny FTAT Anosibe, tamin’ ny isa 93 no ho 23.
Raha fintinina ny lalao nihaonan’ny FTAT sy ny FTM Manjakaray, ry zareo Manja­karay no nahatondra baolina nentin-tanana voalohany, ta­min’ny alalan’i Tolotra, roa minitra nanombohan’ny lalao. Saingy tsy voatsaran’i Koroka izany. Taorian’io, nahatondra baolina nentin-tanana indray i Tolotra ny minitra faha-5. Niezaka nampihena ny isa ka lasa 10 no ho 3 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niraraka tanteraka ny baolina nentin-tanana ho an’ny FTM. Nita­rika tamin’ny isa 45 no ho 11 ny Manjakaray teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Dimy minitra nidirana ny fizaram-potoana faharoa, nanindry tanteraka ny FTAT, ka nahatondra “Essaie” ny mpilalan’ izy ireo ka lasa 45 no ho 18 ny isa. Taorian’io, nampiseho ny fahaizany ry Lahatra sy Ko­roka ary ny namany, ka lasa 93 no ho 23 ny isa nisarahana.

Lasan’ny FTM ny lelavola 5 tapitrisa Ar

Araka ny tapaka teo anivon’ny Malagasy Rugby, no­rombahin’ny FTM Manja­karay ny amboaran’ny “Super Coupe Mada 2023.” Natolotra azy ireo ny amboara lehibe sy ny lelavola 5.000.000 Ar, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny omaly ala­hady.

Fitia (Mpianatra asa)

Voka-dalao omaly :

Cosfa (118) vs JSTA (18)
US Ikopa (25) vs FTBA (27)
FTM (93) vs FTAT (23)
FBM (17) vs Tam Anosibe (31)

Partager sur: