SESAM: nampiseho firaisankina tamin’ny fambolen-kazo

Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambohimanga, ny klioba sy dojo ary sports extrêmes mivondrona eo anivon’ny Sesam (Sports extrêmes et salon des arts martiaux), ny asabotsy 25 febroary lasa teo. Tetikasa hiarahana amin’ny RSE (Responsabilité sociétale des entreprises). Zanakazo karazany maro toy ny hazo fihinamboa, legioma sy mangahazo no nambolena nandritra izany, izay nahitana zanakazo 100 mahery.
Solontena avy amin’ny mpandray anjara toy ny Street Workout Calisthenics, Taek­wondo Itf, Taekwondo WT Sonrang, Mada KUK Sool, Madagascar Art Ninja Organi­zation, Ninjutsu, Fakir (Trial), Hartema ary ny Club Taichi ao amin’ny Mille et une étoiles Tsimbazaza, no nifano­trona tamin’izany. Tanjona ny fiombonana sy firaisankina eo amin’ny samy mpanao art martiaux sy sports extrêmes. Araka ilay lohahevitra amin’ ity andiany faha-3 ny Sesam ity hoe “retour au calme”, natao izao fambolen-kazo izao mba hifandraisana bebe kokoa amin’ny natiora izay mitondra fitoniana.
Ho an’ny klioban’ny Taichi manokana, anisan’ny handray anjara amin’ny SESAM ny 5, 6, 7 mey izao izy ireo. Hisy ny “démonstration” hataony amin’io, hampahafantarana izany Taichi izany. Misy “travail interne” ny Taichi ary afaka manao izany avokoa ny sokajin-taona sy sokajin’olona rehetra, araka ny fanazavan’ ny Maitre Ralison Nirinisoa Stephan, filohan’ny klioba Taichi ao amin’ny Mille et une étoiles Tsimbazaza. Hisy mpampianatra avy any ivelany ho avy eto hanotrona ny club Taichi amin’io Sesam andiany faha-3 io. Tanjona ihany koa ho an’ny Sesam ny hitaiza ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina.

Mi.Raz

Partager sur: