Voaroban’ny jiolahy: vehivavy maty voatifitra teo amin’ny tenda

Nirefotra indray ny poa-basy tao Bazary kely Tanam­bao V, Toamasina, omaly atoandro. Namoy ny ainy, rehefa notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny basy, ny vehivavy iray mpiasa amin’ny toeram-pivarotana akora natokana ho an’ny biby fiompy sy fambolena. Hanakatona ny tsena izy tamin’io zoma atoandro, tamin’ny 11 ora sy 45 minitra, io. Nigadona tampoka teo amin’ny toeram-pivarotana ny lehilahy miisa roa. Nitondra basy, nanambana avy hatrany an’ilay vehivavy nanidy ny tsena. « Aiza ny vola », hoy izy ireo tamin’ilay lasibatra. Tsy nisy alaharo, nosintomin’ny iray tamin’ireo mpanao ratsy ny poketra teny ambozonan’ilay vehivavy sady notifiriny teo amin’ny tendany ity farany. Vokany, nidaraboka tamin’ny tany ity mpivarotra ity sady very ra be. Nifandrimbona nanavotra azy ireo nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy tonga teny amin’ny hopitaly. Tsy nisy vola tany amin’io vehivavy io, araka ny fanazavan’ny tompon-tsena sady mpampiasa an’ilay vehivavy lasibatra.

Nanafin’endrika

Nisy roa lahy nitondra moto naka ireo jiolahy roa nitam-basy avy nanao ny fandrobana, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny olona nanatri-maso. « Nanao satroka sy arovava orona ireo mpanao ratsy », hoy ny loharanom-baovao. Mitotaly efatra, araka izany, ireo voalaza ho nandray anjara tamin’ity fanafihana mi­tam-piadiana ity, araka ny fi­tan­taran’ireo mponina ma­no­didina ny toerana ni­trangan’ ny asa ratsy. Raha tsiahivina, mi­rongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina tato ho ato. Jiolahy iray mpanao asa ratsy lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra ny fisafoana alina tao Tanambao Verrerie, ny marain’ ny alakamisy tamin’ ny 1 ora maraina. Miisa efatra ireo olon-dratsy saingy nandositra ireo namany nandritra ny fi­sam­borana azy ireo. Misoka­tra kosa ny fanadihadiana momba ity vono olona niseho omaly ity.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: