Fisoratana anaty lisi-pifidianana : Mikendry ny mpandray fisotroan-dronono ny Ceni

Mitohy hatrany ny fomba fiasa «Ambohipihaonana ». Tafiditra amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, iarahana amin’ny Ceni izany. Hisy ratsamangaikan’ny Ceni mpanisa mpifidy handray ny mombamomba ireo mpandray fisotroan-dronono sy mpandray karama mandritra ny fotoana handalovan’ireo sokajin’olona ireo eny anivon’ny «Trésorerie Générale, Trésorerie Prin­ci­pale, Trésorerie Principale Inter communale, Perception Principale », araka ny toromarika avy eo anivon’ny Ceni, omaly. Na izany aza, natokana ho an’ireo mbola tsy nanavao ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy teny amin’ny fokontany izany.
Etsy andaniny, mitohy ny fitetezan’ireo mpikambana ao amin’ny CLRE ny tokantrano tsirairay. « Misokatra ihany koa ny fokontany handraisana ireo mpifidy maniry hisoratra anarana na ireo biraon’ny distrika ho an’ireo vao nahazo karapanondrom-pirenena », hoy ny eo anivon’ny Ceni. Mandeha koa amin’izao fotoana izao ny fanangonam-baovao mialoha « Collecte préalable des informations » momba ireo mpifidy eny amin’ireo sampan-draharaha maro sa­mihafa. Azo atao koa ny manao fangatahana hisoratra anarana amin’ny alalan’ny tranokalan’ny Ceni ” www.ceni-madagascar.mg. ».
Tsiahivina fa anisan’ny nisitraka izany ireo mpiasa eny anivon’ny Primatiora, ny Pôle Anti-Corruption (Pac); ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana, ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arakasa. Eo koa ireo mpiasa eo anivon’ny Sekoly ambony mpanofana ireo tomponadraiki-panjakana (Enam) sy ireo mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Efa nanaovana tahaka izany ny mpiasa ao amin’ny biraon’ny Faritra Analamanga. Notsiahivin’ny Ceni fa samihafa tanteraka ny fisoratana anarana biométrika sy ny fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy.

Synèse R.

Partager sur: