FANTINA sy FINTINA

Nitondra fanazavana momba ireo vondrona na vovonana, toy ny FFM sy ny VFM ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nambarany fa tsy manery olona hanohana ny tenany izy. « Izaho koa anefa tsy manakana ireo vonona hanohana ahy », hoy izy tany Brickaville, ny herinandro teo.

Hentitra ny Praiminisitra, Rajaonarison Mami­tiana. « Aleo miala izay tsy mahasahy », hoy izy. Nan­teriny fa tsy tokony hananan-kavana ny resaka kolikoly, araka ny nambarany nanoloana ireo sekretera jenera­lin’ny minisitera, ireo tale jeneraly ary ireo tale sy tomponandraikitra misahana ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny minisitera isanisany.

Nolavin’ny Fitsarana tampony « Bail and Remand Court » atsy Maorisy ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ilay mpandraharaha, Ravato­manga Mamy. Anisan’ny anton’izany ny mety hisian’ny fandosirana sy ny mety haneritereny ireo vavolombe­lona raha toa ka mivoaka ny tenany. Eo koa ny vesatra hiampangana azy.

Nohavaozina ny fikarakarana Pasipaoro. Atao amin’ny alalan’ny tranokala “e-Pasipaoro” ny fikarakarana ny fangatahana azy ary hampiharina tsy ho ela. Voalaza fa efa eo amin’ny dingana andrana ireo teknisianina amin’izao. Hampihena ny fotoana lany sy hanamora ny fikarakarana pasipaoro ihany koa ny fampia­sana ity paikady vaovao ity.

Partager sur: