Hanovana ny zava-misy : Mila tohanana ny fisitrahan’ny zatovovavy ny zony

Nosafidiana manokana ny lohahevitra « Atsahatra ny fampanambadiana ny ankizy fa andao hanohana ny zon’ny zatovovavy” nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, ny faran’ny herinandro teo.

Anisan’ny endrika iray mahazo vahana iseho­an’ny tsy fanajana ny zon’ny ankizivavy ny fampanambadiana azy satria manohintohina ny fanabeazana sy ny fahasalamany ary ny hoaviny iray manontolo. Voala­zan’ ny valin’ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny an­ko­hohana eto Madagasi­kara (MICS) ny taona 2025, fa mam­panahy ny zava-misy eto amin­tsika. Niakatra ho 42% ny tahan’ ny tovovavy 20 ka hatramin’ny 24 taona niroso amin’ny fa­nambadiana mialoha ny faha-18 taonany, raha 40% izany ny taona 2018. Any amin’ny faritra Atsimo Atsi­nanana, mahatratra 57,6% ny taha. Toy izany koa ny amin’ ny faritra Melaky, 57,4%. Vokatr’izay, zatovovavy iray amin’ny telo no mitondra vohoka aloha loatra satria 38% amin’izy ireo (15 taona-19 taona) no miditra amin’ny firaisana ara-nofo ary mifandraika amin’ny fitondrana vohoka na koa eo am-piterahana ny 15% ny famoizana aina eo amin’ny ankizivavy.

Efa nisy haitaky
Efa nisy haitaky nataon’ny rafitra maromaro tamin’ny fiandohan’ity volana ity. Nahi­tana ny UNFPA sy ny Unicef, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny parlemantera izany. Hanitsiana
ny andinin-dalàna (article 3) amin’­ny lalàna n°2007-022 momba ny fanambadiana manambara ny fanekena ny firosoan’ny olona latsaky ny 18 taona amin’ny fanamba­diana raha misy antony lehibe ny votoatiny.
Hanovana ny zava-misy, zava-dehibe ny manohana ny fanabeazana ny zatovovavy. Satria ny renim-pianakaviana nandia fianarana no afaka mitondra fivoarana eo anivon’ ny ankohonany momba ny fa­hasalamana, fanabeazana… Tafakatra 94% ny tahan’ny fidirana eny amin’ny ambaratonga voalohany rehefa nahavita fianarana hatramin’ ny kilasy T9 ilay renim-pianakaviana. 57% ny taha rehefa tsy nandia sekoly na nijanona teo amin’ny ambaratonga voalohany ilay reny, araka ny tatitry ny MICS Madagascar 2025 ihany.

Vonjy

Partager sur: