Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo solontenan’ny ivontoeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina manerana ny Nosy, teny Fiadanana sy nampitain-davitra, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Nifantoka tamin’ny tomban’ezaky ny Vaomiera nasionaly misahana ny fankatoavana (CNH) ho an’ny taona 2026 ny dinika. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny Fampianarana ambaratonga ambony, Pr Raherinirina Angelo sy ny talen’ny fankatoavana sy fiantohana ny kalitao, Dr Rakotoniaina Bearisoa.
Miisa 600 mahery ny fangatahana fankatoavana voaray tamin’ity taona ity, raha manodidina ny 220 izany tamin’ny 2025. Voaray hodinihina ny 549 tamin’ireo ka miisa 65 ireo manam-pahaizana nandray anjara amin’ny fanombanana.
Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambony sy ny fanarahana ny fenitra takina hahazoan’ny mpianatra fiofanana azo antoka sy mifanaraka amin’ny filan’ny fiarahamonina ary hisorohana ny fisian’ny diplaoma tsy ara-dalàna.
Hivoaka ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (plateforme HAE) mandritra ity volana ity ny fanamarihana samihafa ho an’ny tomponandraikitry ny lalam-piofanana tsirairay. Ireo izay manana olana dia afaka mitondra ny fanatsarana amin’ny CNH amin’ny volana desambra ho avy izao.
Vonjy





