Hetsika iray, miendrika fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ny samy mpanakanto afrikanina ny “Afromada Music Awards”. Hotontosaina eto Madagasikara hatrany ny andiany faharoa, amin’ny faran’ny herinandro.
Tosika ho an’ny mozika malagasy. Voasokajy ho firenena afrikanina manan-karena mozika i Madagasikara hatramin’izay. Poforon’izany ny nisian’ireo Malagasy mpanakanto nisongadina tamina fifaninanan-kira iraisam-pirenena maro. Iray amin’ireo hetsika manome sehatra sy te ho fitaratra ho an’ny mozika afrikanina ny “Afromada Music Awards”. Araka ny anarany, manatombo kokoa ny mozika malagasy anatin’ity fifaninanana ity. Antony voalohany mahatonga izay, noho izy hatao eto Madagasikara, ka ny 16 hatramin’ ny 18 oktobra izao ny andiany faharoa.
“Ndao hankalazaina miaraka ny mozika afrikanina”. Manamafy izany io lohahevitra nosafidian’ny mpikarakara io. Midadasika izay, fa ny lehibe indrindra dia ny fanasongadinana ny famoronana, arahin’ ny fifampizarana eo amin’ny samy mpisehatra. Ny andro voalohany no hanatontosana izay fifampizarana izay. Maro ireo mpanakanto, mpanatontosa sy mpikarakara hetsika iraisam-pirenena ary mpanodina mpanakanto any amin’ny tsenan’ny mozika rehetra any no ho avy eto. Ny sabotsy 17 oktobra kosa no hanatontosana ilay tena lanonana manetriketrika, eny amin’ny Radisson Blu.
Raha oharina amin’ny andiany voalohany, hivelatra kokoa ny sokajy, hanomezana mari-pankasitrahana ireo Afrikanina mpanakanto, noho ny mozika navoakany tamin’ iny taona iny. Ny “Prix d’Or”, ohatra, dia sokajy natokana ho an’ireo Malagasy mpankanto irery, ka mifaninana ao ry Tence Mena, Wawa, Big MJ, D Lain, Shyn, Basta Lion, Dadi Love, Denise, Arnaah ary Ceasar. Mifaninana ao amin’ny sokajy “Meilleurs artistes diaspora” kosa i Niu Raza sy Maheva, milahatra amin-dry Tayc, Tiakola, Gims, sns. Anaty sokajy “Meilleur artiste ragga, reggae, dancehall, rap” no misy an’i Basta Lion sy Mad Max. Ao amin’ny “Best duo ou groupe” kosa ry AmbondronA sy Reko Band. Eny anelanelan’ny lanonana ny seho hataon’ireo mpanakanto, ahitana vahiny toa an-dry Wizboy sy Bill Phil avy any Cameroun, Sounchetfit ary i Dr Falafala, izay avy any Côte d’Ivoire, saingy tomponandraikitra voalohany amin’ny hetsika.
Zo ny Aina





