European Film Festival : Mihoatra ny 100 ny firenena mandray anjara

Ho an’ity taona 2026 ity, ny 15 oktobra ka hatramin’ny 17 oktobra izao no hanatanterahina ny « Euro­pean Film Festival » na « Festival du film Européen ». Mahatratra 100 ireo firenena hanatanterahina izany ka anisany i Madagasikara. Maha­tratra 8 ireo sarimihetsika hojerena amin’ity andiany taona 2026 ity. Ho an’i Mada­gasikara manokana, sarimihetsika (film) malagasy miisa 2 no handray anjara. « Man­dra­kizay doria » notontosain’i Franco Clerc. Halefa ao amin’ ny IFM Analakely amin’ny fo­toam-pamara­nana sy « Dis­co Afrika » notontosain’i Luck Razanajaona, novokarin’i Herizo Rabary.
Ankoatra ny fandefasana ny sarimihetsika, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Festival du film européen » eto Madagasikara ihany koa ny fihaonana sy fifanakalozana. Iray amin’ireny ny amin’ny fotoam-panokafana, ny alakamisy 15 oktobra, ao amin’ny Cinepax. Fihaonana amin’i Olivier Laxe ilay nanatontosa ny sarimihetsika « Sirat ». Izy ihany koa no hitarika ny atrikasa (Master­class) ny tolakandron’io, ao amin’ny IFM Analakely. Amin’ ny fotoam-pamaranana kosa i Franco Clerc no hifanakalo sy hitafa amin’ireo mpijery, ao amin’ny IFM.
« Sarimihetsika, fitaovam-pifandraisana, hifampiresahana, fanokafana ny firahalahiana », no lohahevitry ny « Fes­tival du film européen » izay niforona tamin’ny taona 2018.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: