Lalatiana : “Tovolahy avokoa ireo hiray sehatra amiko…”

Hiova kely raha oharina tamin’ny fiarahana farany. Fa ny fizarana ny kanto indrindra kosa mitoetra ho fanamby hataon’i Lalatiana.

50 taona tsy latsaka izay no niakarany an-tsehatra. “Tsy dia tiako loatra ilay mankalaza isa, fa mozika no hatao. Ka rehefa afaka mihaona dia miezaka mizara”, hoy ny nambaran’i Lalatiana, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy, omaly. Fotoana nizarazarany ny antsipiriany rehetra mahakasika ilay fampisehoana izay hotontosain’i Lalatiana ny alahady 18 oktobra izao io, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
“Tovolahy avokoa ireo hiaraka amiko eny an-tsehatra, araka ny hitanareo anaty famerenana izao. Mba nosafidiako manokana izay, hampiakatra bebe kokoa ilay angovo sy hampiavaka ny seho”, hoy hatrany ny nambarany. Efa fantatra koa fa nareo vahiny nasainy aza dia lehilahy avokoa. “Satria nisy ny fiainana nolalovana tao anatin’izay fotoana izay, dia nisy fiarahana nanamarika ireny vanim-potoana ireny, ka misy amin’ireo namana niara-nanao mozika tamin’izany no nasaiko, fa aleo tsy ho lazaiko mialoha”, hoy ity mpanakanto ity.
Izay tokoa hatrany ilay Lalatiana… Tsy nisy hoe seho nitovy foana, fa nisy ilay tsiro mampiavaka ny fiakarany an-tsehatra, isaky ny mandalo an-tanindrazana. Tsy latsaka ny ora telo no hamerenany ireo hira nahafantarana azy tanatin’ireo rakikira efa navoakany. Eo koa ireo hira navaoziny, toa ny sanganasan’ny rainy, sns.
“Efa hatramin’ny taona 2012, fotoana izay niverenan’i Lalatiana teto an-tanindrazana indray, no niara-dalana izahay. Seho saika hatao tamin’ny taon-dasa izy ity, saingy izao no fotoana hita fa mety kokoa. Anaty famerenana handaminana ny pitsopitsony farany ny ekipa rehetra izao”, hoy kosa i Hery Randriamam­pianina, tomponandraikitra voalohan’ny miRitsoka Pro­duction.

Zo ny Aina

Partager sur: