Nanao fialantsiny ampahibemaso i Ceis. Taorian’ny zava-nitranga ny alahady teo, nandritra ny fampisehoana nataony tany Antsirabe, izay nanipazany mpijery iray avy eny ambony sehatra no antony. Maro ny fanehoan-kevitra satria niparitak ilay “video”. Ny 90 isan-jaton’izany, tsy nisy nanome rariny ny fihetsika nataon’ity mpanakanto ity avokoa. Taorian’ny fananarana natao azy, niaiky ny fahadisoany izy ary naneho fialantsiny tamin’ilay mpijery voakasika sy ny olon-drehetra.
Nahazo ny “Prix Fidadoc” i Anatole Ramaroson. Nandritra ny andiany faha-19 tamin’ny “Durban FilmMart Awards 2026” io. Mpanatontosa horonantsary malagasy nanao ny “Fitampoha, The return of the king of Menabe”. Nahazo vatsy ho any Maroc, hanatrika fampivondronana ho an’ny fanoratana horonantsary afrikanina amin’ny “Fidadoc 2027” izy, noho izany. Tsiahivina fa ankoatra ny maha mpanatontosa azy, tomponandraikitry ny fikarakarana ny “Ant’Sary Doc Festival”, izay vao nifarana ny herinandro lasa teo i Anatole.
Manomboka liana amin’ny tantara ny Malagasy. «Tsy miasa… Miasa… Tsy miasa… Miasa…». Manana ny lazany indray tato ho ato ny fifamaliana tahaka io. Liana amin’ny tantara amin’izay ny Malagasy. Mibosesika ny fanontaniana. Fa nisy inona tokoa moa tamin’izany andro izany (14 oktobra 1958)? Mikaroka etsy sy eroa mitady ny valiny. Ilay fifamalian-kevitra (Tsy miasa… Miasa…), efa zary mahazatra, fa ny finiavana hikaroka ny tantara no zava-dehibe, satria, ahitana ny fototra.





