Handball malagasy : Nanao tatitra ny zava-bitany ny Federasionina

Nanao tatitra ny asa vitany nandritra ny sivy volana nitantanany, tetsy Mahamasina, omaly ny Federasionina malagasin’ny handball. Be ny vita fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena nandraisan’ny Akio anjara.

Namoaka ny tatitry ny asany tao anatin’izay sivy volana nitantanana ny taranja handball izay ny Federasionina malagasin’ny handball, izay tarihin-dRa­tsimandao Andriamanga, omaly, tetsy Mahamasina. Nambaran’ny filohany fa maro ny zava-bitan’izy ireo nandritra izay volana maro izay.
Porofon’izany, vao iray volana nitantanana ry zareo no nandray hatrany ny fifaninanana ho an’ny faritra fahafito, tany Toamasina, ny volana febroary teo. Tsy tontosa ha­tramin’ny farany moa izany noho ny rivodoza Gezani. Notsiahiviny ihany koa ny fampiantranoan’i Madaga­sikara an’ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro toy ny “IHF Trophy”, sokajy zandriny “cadets” sy “juniors” izay notontosaina teto Antana­narivo, ny volana mey lasa teo. Ny faran’ny volana septambra teo, teny Vontovorona, nampiantrano ny “IHF Trophy”, sokajy vehivavy, “seniors”, ny Malagasy. Tsy ireo ihany fa mbola nandray anjara tamin’ ireo fifanintsanana teto Afrika toy ny Can tany Abidjan, ny septambra lasa teo, ny Akio, sokajy “cadets” sy “juniors”.
Nanamafy ihany koa ny teo anivon’ny federasiona fa efa namoaka fanapahan-kevitra ny avy ao amin’ny kaomisionina afrikanina ny handball eto Afrika (CAHB). Ireo mpanazatra mitondra klioba sy ekipam-pirenena, tsy maintsy manana ny mari-pahaizana “licence A, B, C, D”. Efa nisy ny fampiharana izany nandritra ireo lalao maro teto an-toerana. Ankoatra izay, efa ni­tsangana ara-dalàna ihany koa ny ligin’Atsimo Atsina­nana.

Fitia Randria

Partager sur: