Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2026, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra “Ping-pong” i Madagasikara. Fifaninanana ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy tanterahina any Maroc, ny 18 – 25 oktobra ho avy izao. Hisy ny lalao ho an’olon-tokana, ny olon-droa ary ny isan-tarika. Valo mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ka anisan’izany i Fabio; mpilalao mila ravinahitra. Raha tsiahivina tsy vao izao akory no niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ny tovolahy. Efa tompondakan’i Afrika atsinanana, natao tany Kampala ny taona 2024 ary nahazo ny medaly alimo teo amin’ny olon-droa ihany koa ny taona 2025, tany Tunis raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Azo lazaina izany fa anisan’ny mpilalao andrandrain’ny rehetra i Fabio, amin’ity.
Tompondaka
Ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena
Vehivavy
– Randriantsoa Vony Ange
– Raharimanana Hanitra
– Prevot Edena
– Rakotondrazaka Ranto
Lehilahy
– Rakotoarimanana Fabio
– Rabemanantsoa Tsilavo
– Rabemanantsoa Timiary
– Razafinarivo Antoine





