Tsy handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-35 taona niseharan’i Rolf teo amin’ny mozika sy zavakanto. Hisy ny hetsika sy seho hatao ny 17 oktobra izao, eny amin’ny Ivokolo Analakely. Mitondra ny lohateny “Omaly, anio, rahampitso” ny seho, hitantarana an-kira ny lalana nodiavin’i Rolf nandritra izay 35 taona izay.
Hohiraina avokoa ireo hira tena nahafantarana an’i Rolf, toy ny “Sambatra”, “Hiala”,
“Bandy keliko”, “Lanitra” ary ny “Ombalahy”. Fanokafana ihany ity seho ny 17 oktobra ity fa maro ny fandaharam-potoana miandry, mandra-pahatonga ny amin’ny oktobra 2027 izay fotoana lehibe ivon’ ny fankalazana.
Tsiahivina fa fifangaroan’ ny “Funk” sy ny “rock” somary misy gadona malagasy no ahafantarana ity Malagasy mpanakanto ity. Ankoatra ny seho, hisy koa ny Slam sy hosodoko hatao eny an-toerana, ka hampiseho ny talentany amin’izany i Yasmine Fidimalala, mpanao hosodoko. Ho feno sy manan-karena seho ara-javakanto, araka izany, ity fanokafana ny fankalazana ny faha-35 taona niseharan’i Rolf teo amin’ny sehatry ny mozika ity.
Mi.Raz





