Fanina tanteraka

Raha ny zava-misy eto amin’ny firenena, ankehitriny, tena tsy hay ny fomba hilazana azy. Ny mahafehy ity tranga etsy sy eroa ity dia hoe “Aza mba vahoaka madinika ihany, fa sady bado no tsy maintsy manaiky ny tiankano tsy tiankano ». Aiza ve fa tena hoe efa savoritaka tsy misy tahaka izany? Efa sakorokoroka amin’ny samy henjana fa angaha misy mandray andraikitra izany. Tsy vitan’izany fa mbola mifanala baraka sy mifampihantsy ampahibemaso.
Manahirana ny miresaka azy, saingy angaha afa-manoatra. Mila manaraka fotsiny ny onjany eny! Satria, na ny samy olombelona aza izao efa tsy mifanaja. Mahazo tsiny hatramin’ny lavarambo sy tandroka. Mivadika kilalao maloto anaty fahavetavetana ara-panahy mihitsy ilay zava-miseho. Tokony hahamenatra sy mbola ankinafinafina kanefa iaraha-mahita fa vakiana bantsilana. Midika ho faharefoana sa fahasahiana anefa izany? Raha tena hiady manko aleo misoko mangina.
Niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina tokoa ny mahakasika ny fanambarana mahakasika ny ody ratsy sy ny fifamelezan’ny mpamosavy malemy. Niara-niaiky ny rehetra fa tena hanjakan’izany tokoa ilay Madagasikara. Tsy mahagaga ny fahantrana, miha milentika ho an’ny sarambabem-bahoaka izay azo sokajiana ho “marefo”, andaniny. Ny firongarongan’ny fahefana sy ny haren’ny henjana eto amin’ny tanàna, ankilany. Tena mifanalavitra be ny elanelana.
Mampisaina ny fiseho sy ny fizotry ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy, ankehitriny. Misy ny olona tia korontana. Maro ny mankafy fahantrana sy havoretrana. Tsy vitsy ny mivarilavo anatin’ny fiankinandoha amin’ny endrika faharatsiana sy fahalovana rehetra: zava-mahadomelina, kolikoly sy kitranoantrano, fahavetavetana isan-karazany… Tsy tambo isaina. Mipetraka ny fanontaniana hoe fa nahoana loatra re Ramalagasy e! Tsy hita ny hamaliana izany fa anjaran’ny tsirairay no mandinika!

r.r

Partager sur: