« Afromada Music Awards »: Nahazo loka roa i Basta Lion

Misongadina ny mozika malagasy. Sokajy maromaro no lasan’ny Malagasy mpanakanto, nandritra ilay hetsika «Afromada Music Awards» andiany faharoa, izay natao teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Niavaka ta­min’ny maro i Basta Lion, izay nahazo ny «prix d’or Afro­mada 2026», izay sokajy natao ho an’ny mpanakanto misongadina manokana. Mbola lasany ihany koa ny sokajy «rap, reggae, ragga, drill».
Ankoatra izay, nahazo ny sokajy «meilleur chanson de l’année» i Shyn. «Meilleur artiste masculin» i L Jo. «Meilleure artiste féminine» i Denise. «Meilleur artiste de l’Ocean Indien» i Rim Ka. «Meilleur producteur» i Syl­vano Ratsimandresy Sr Pro, ary «meilleur groupe africain» ny tarika AmbondronA.
Na izany aza, mbola i Himra, ilay mpanakanto ivoarianina no nahazo ny sokajy «artiste de l’année», «meilleur artiste africain» ary ny «meil­leur artiste Afrique de l’Ouest». Tsiahivina fa mpanakanto afrikanina sy Malagasy maro no nanafana ny lanonana nanolorana ny loka isan-tsokajy, ny alin’ny alahady teo, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona.

Zo ny Aina

Partager sur: