Kly Randrianirina Michaël : « Hohadihadiana ny fitantanana ny volan’ny Faritra »

Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Nisy ny toromarika nomeny tamin’izany.

Nambarany fa maromaro ny faritra nahazo fa­nam­piana sy fanohanana na koa vola tamberim-bidy avy amin’ny fanjakana. Hen­titra ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika ary nitodika tamin’ny Praiminisitra ma­no­­loana izany. « Ilaina fanaraha-maso sy fanadihadiana ny nampiasana izany vola izany. Mba tena hiantraika amin’ny vahoaka, toy ny fanamboarana-dalana na fambolena sy fiompiana… », hoy izy. Nohi­tsiny koa ny momba ny tokony hanarahana maso, manomboka izao, ny volan’ny mpamatsy vola. Zara raha misy 10 % sisa tonga eny ifotony fa lany amin’ny fanadihadiana sy eny ambony latabatra ny 90%. Trosa sy vola mbola haloa ireny, araka ny nambarany.
Ankoatra izany, nampahery ireo rehetra misehatra sy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny filoha hanohy ny ezaka efa natao ho an’ny firenena sy ny vahoaka. Anisan’izany ny Paf, ny Bianco, ny Ladoany…
Tsy misy resaka mpiara-mitolona…

Niantso ny mpitantana rehetra hiverina amin’ny lala-mahitsy ny filoham-panjakana avy eo ary nilaza fa misy ireo manana toe-tsaina mihinana aloha izao. « Tsy mifidy io fa hatrany ambany ka hatraty ambony. Samy manahy fa sao ho rava », hoy ihany izy. Mbola notsiahiviny fa tsy ananana havana ny ady amin’ny kolikoly ary tsy hiaro na iza na iza izy. Tsy misy resaka niara-nitolona koa ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalàna, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nanome toky avy hatrany ny Praimi­nisitra, Rajaonarison Mami­tiana, fa horaisina ny andraikitra ary ho hentitra ny governemanta amin’ireo voalaza ireo. Nanteriny fa tsy hisy fotoana tahaka izao intsony hanavaozana ity firenena ity. Mbola nohamafisiny ny nambarany tany aloha fa aleo mametra-pialana ireo mpitantana rehefa tsy mahasahy. « Aza miandry hoesorina ianareo… Sazy avy hatrany ho an’ireo manao kolikoly fa tsy any amin’ny fanentanana na fisorohana intsony izao », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: