Ratovomanana Jaovolahasy : Notoloran’ny minisitera mariboninahitra

Nahazo ny mariboninahitra “Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture”, omaly, Ratovomanana Jaovolahasy. Filoha mpanorina sady mpitarika ny Jaws Band, izay tarika mivoy ny gadona Gospel izy. Antoko mpihira be mpankafy no sady manana ny toerany ny Jaws Band, izay efa 8 taona nisiana. Fantatra amin’ny hamafisan’ny angovo eo amin’ny fihirana ity tarika ity. Eo ihany koa ny fahaizana milalao sehatra rehefa manao fampisehoana. Anisan’ny nampisongadina ity tarika Gospel ity ny vao nahazoan’izy ireo ny loka “Feo lafika mendrika indrindra” tao amin’ny Radio Fiotazantsoa, tamin’ity taona 2026 ity. Hira malaza sy tena ahafantarana ny Jaws Band ny “Tsy hiala aminao”, “Hanaraka anao”, “Tsy manary anao Jéhovah” sy ny maro hafa. Raha ny zava-bitany teo amin’ny kanto malagasy, mendrika ho an-dRatovomanana Jaovolahasy izao fanoloran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina azy ny mariboninahitra “Officier de l’ordre des arts et de la Culture” izao. Vao nankalaza ny faha-7 taonany, tamin’ny taona 2025 moa, ny Jaws Band. Efa nahavita fampisehoana maherin’ny 40 ny tarika tao anatin’izay taona maro nijoroany izay ary mbola manana fikasana ny hitondra lavitra ny Gospel ny filoha mpanorina, Ratovomanana Jaovolahasy.

Mi.Raz

Partager sur: