Miara-miombon’antoka ny banky Sipem sy ny orinasa Solidis. Fiaraha-miasa manamora ny fahafahan’ny mpanjifa misitraka ny tolotra « Tranosoa », omen’ny banky Sipem. Hita mandritra ny hetsika iraisam-pirenena (SIH) ho an’ny trano fonenana eny amin’ny CCI Ivato, atao ny 22 hatramin’ny 25 oktobra ity tolotra ity.
Nambaran-dRamatoa Ramaroson Iarilanto, lehiben’ny departemanta Tsena sy fifandraisan-davitra ao amin’ity banky ity fa fanindroany izao no nandraisan’izy ireo anjara amin’ny Salon SIH. Tolotra vaovao omen’izy ireo ny fampindramam-bola «Tranosoa ». Tanjona ny hanakaikezana hatrany ny mpanjifa amin’ny fanomezana vahaolana ara-bola, mba ho mora ny hahazoany trano fonenana na tany. Ao anatin’izany ny fananganana trano na hividy trano na tany, iarahana miombon’ antoka amin’ny orinasa Maison et tradition sy ny Solidis. Mandritra ny SIH, tombony manokana ny zanabola kely, 1,3% isam-bolana sy mihena 50% ny saran’ny fikarakarana ny antontan-taratasy.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Solidis, Ravelomanantsoa Jean Marc, fa iaraha-mahalala ny fahasarotana ho an’ny Malagasy ny hananana ny hoenti-manana, hananana antoka rehefa mindram-bola. Izay no antom-pisian’ny Solidis, afaka misolo vaika ho antoka, raha sanatria misy olana ny fanonerana ny vola indramina any amin’ny Sipem. Tombony koa ny fotoana lavitr’ezaka, 10 hatramin’ny 15 taona, hanonerana tsikelikely ny vola indramina.
Njaka A.





