Filatex Properties : 100 000 m2 ny velaran-tany nanorenan-trano

Mpanohana ofisialy ny Salon international de l’habitat (SIH), andiany faha-27, atao eny amin’ny CCI Ivato, ny 22 hatramin’ny 25 oktobra 2026, ny orinasa Fila­tex. Tsy vaovao amin’ny lafiny fanorenan-trano ity orinasa ity, satria efa nisehatra tamin’ izany teto Madagasi­kara, nandritra ny 14 taona. Manome tolotra, trano tsara kalitao sy maoderina, hampiakarana ny lentan’ny trano eto amintsika. Toy ny tanàna Tamarindo, Ven­tana, Alham­bra ary ny Eden, ahitana tranobe miisa 6 sy tranobe ahitana fonenana miisa 48 T3, vao vita tamin’ny taona 2020. Eo koa ireo villas vita tamin’ny taona 2022 sy 2023 sy ny Alhambra Galery, ahitana birao sy tranombarotra samihafa, nataon’ny mpahay maritrano Ali Mangera st Ada Yvars Bravo.

Orinasa afakaba

Mitotaly 100 000 m2 ny velaran-tany efa vitan’ny orinasa Filatex Properties, nanorenana trano sy tranombarotra. Niteraka asa manodidina ny 5 000 ny asa mivantana sy tsy mivantana. Anisan’ny kendreny ny fanorenan-trano sy tanàna eny amin’ny toerana vaovao, hanitarana ny tanàna sy fanajariana mendrika. Sin­ga­nina amin’izany ny eny Am­ba­tobe sy ny Eden Villas etsy Ankorondrano, tanàna mirindra sy milamina. Ankoa­tra ny fanorenan-trano, misehatra amin’ny orinasa afakaba koa ny vondrona Filatex, amina velaran-tany 218 000 m2, ahitana orinasa 36, mampiasa olona 39 000. Nohama­fisin’ny mpitantana ny Filatex, fa « andraikitray ny manome tolotra tsara kalitao, tsara endrika, mora ampiasaina, ary ho fitaratra ho an’ny hafa ».

Njaka A.

Partager sur: