Basikety any ivelany: Mamiratra Rakotobe Kristina

Ao anatin’ny fanohizana ny fianarany ny taranja basikety, any Etazonia amin’izao fotoana izao, Rakotobe Kristina. Ao amin’ny Virginia Academy izy no manohy izay fianarana sy basikety. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia tena mamiratra tokoa izy. Niatrika fifaninanana teo anivon’ny lisea any Etazonia na ny NACA, ny ekipan’i Kris­tina, ny herinandro lasa teo ary tafiditra ao anatin’ny ekipa hanao ny famaranana Fifaninanana nanomboka ny 21 febroary lasa teo, ahitana taranja maromaro ka anisan’izany ny basikety.
Marihina, nanomboka nandranto fianarana sy nanohy ny nofiny teo amin’ny taranja basikety ny volana oktobra 2022, ity mpilalaon’ny klioban’ny MB2All ity. Tao amin’ny El Camino Real Charter High School, Los Angeles izy no niditra voalohany. Nifindra ao amin’ny Virginia Academy indray, an­kehitriny. Anisan’ny mpampidi-baolina betsaka i Kristina ao amin’ny ekipany ary tena andrin’ireo mpilalao namany mihitsy.
Tsiahivina, mpilalao ma­lagasy nisongadina nahazoan’ny Ankoay zazavavy vokatra tsara tamin’ny Afrobasket U18 farany teo, Rakotobe Kristina.

Mi.Raz

Partager sur: