Testamenta vaovao : Voadika amin’ny tenim-paritra telo

Namoaka vokatra telo vaovao ny tomponandraikitra ao amin’ny fiangonana Vavo­lom­belon’i Jehovah, ny faran’ ny herinandro teo. Nadika amin’ny fiteny antakarana, antandroy ary vezo ny Testa­menta vaovao izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny toeram-pivoriana Soamanandrainy, Ivato. Vo­katry ny fiaraha-miasan’ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny faritra miteny ireo fitenim-paritra ireo no nahazoana ny fandikan-teny telo. An-taonany maro no nanatanterahana ny asa, araka ny fanazavana.
Olona mpino an’arivony no nanatrika ny famoahana ny Baiboly amin’ny dikan-teny telo ary nampitaina mivantana teny anivon’ny faritra maro eto Madagasikara ny hetsika. Tombanana ho olona 330 000 no miteny antakarana, mahatratra 1 400 000 no mampiasa ny teny antandroy ary 400 000 miserasera amin’ny teny vezo.
Vokatry ny fandikan-teny ny Testamenta vaovao amin’ ireo tenim-paritra telo ireo, afaka hamaky sy hahazo ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Baiboly ireo olona ireo. Teny tsotra, mora azo no nampiasaina hanamorana ny fampitana sy hampirisika amin’­ny famakiana Baiboly.
Efa miroso amin’ny fandikana ny Testamenta taloha amin’ireo tenim-paritra telo voalaza ireo koa ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Azon’ny rehetra alaina ao anatin’ny tranonkala JW.­ ORG ihany koa ny dika elektronikan’ny Testamenta vaovao amin’ny fiteny telo.

Vonjy

Partager sur: