JjB–Invictador II : Nisongadina ny klioba Checkmat

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny andiany faharoa amin’ny Invictador, ta­ranja Jiu-Jitsu Brésilien. Nisongadina ny klioba Checkmat Mada­gascar, izay nitana ny laharana voalohany. Nandrom­baka medaly volamena miisa 24, volafotsy 14 ary alimo 6 izy ireo. Faharoa ny Southside ary teo amin’ny laharana fahatelo ny Guerreros. 120 mianadahy mianaka, avy amin’ny klioba 7, ireo mpandray anjara nifaninana tamin’ny sokajy samihafa. “Tratra ny tanjona ary afapo izahay satria nihoatra tamin’ny nieritreretana azy ny nandray anjara. Zava-dehibe ny fisian’ny hetsika tahaka izao eo amin’ny fifehezana sy ny fahatokisan-tena, izay entina miaina”, hoy Randriamifidimanana Laza, filohan’ny Checkmat Madagascar, mpikarakara ny Invictador II. Tanjona tamin’ity ny hanomana ireo atleta 20 mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Abu Dhabi, ny 8 – 16 novambra ho avy izao. Ankoatra izay, ezahina hampiroboroboina ny taranja hivoaran’ireo ankizy.

 

Tompondaka

Partager sur: