FANTINA sy FINTINA

Ny fanoloran-tenan’ny tanora, ny antoko politika ary ny mpisehatra manoloana ny fikaonandoham-
pirenena. Lohahevitra novelabelaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Tim, omaly, tetsy amin’ny PK 0 Antani­mena izany. Tafiditra amin’ny « Masterclass » iarahana amin’ny Vondrona afrikanina. Miatrika izany ireo tanora avy amin’ny antoko Tim.
Tsy tokony ho voazarazaran’ny politika sy ny fiaviana na finoana ny tanora, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Ankatso, afakomaly.Nanokatra ny « Univ Event III » ny tenany. « Tokony hifototra amin’ny firaisankiana sy fifan­katiavana ary fiaraha-mientana ny fifandraisanareo », hoy izy.
Faritany mizaka tena – Hoentintsika amin’ny revy milay. Lohahevitry ny dinidinika ambany tafon­trano sy fihaonan’ny manan-talenta ao amin’ny Ivon’ny fanavaozana ny Repoblika (IFR), hatao etsy Anda­va­mamba, rahampitso. « Aoka ny hevitra samihafa hifanena, fa ny tanjona iray: Madagasikara mandroso », hoy izy ireo.
« Raharaha Boeing tany Iran », hisy ny fanadihadiana fanampiny momba ny nandefasana antsokosoko ireo fiaramanidina miisa dimy tany Iran, araka ny didy savaravina navoakan’ny Pac, omaly. Hitarika
ny fanadihadiana amin’izany ny zokiolona ao amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Hirosoana ny fitsarana aorian’izany.

Partager sur: