JOJ 2026 – Lomano: Nihintsana i Oceane sy i Tendry

Nitohy omaly tamin’ny fifanintsanana ho an’ny taranja loma­no ny fandraisan’ny delegasiona malagasy anjara eo amin’ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026). Fihao­nana notanterahina tao amin’ny dobo filomanosana ao amin’ ny Complexe Tour de l’Oeuf, Dakar Senegal. Nihintsana
avokoa izy mianadahy misolo tena an’i Madagasikara dia Rakotonanahary Oceane sy Rakotobe Tendry. Tsy nivoaka tao anatin’ny vondrona nisy azy izy ireo.
Ho an’i Tendry izay nifaninana teo amin’ny 50 m mitsilany. Laharana fahasivy no mmisy azy ary 27 s 35 ny nahavitany ny halavirana. Laharana faha-11 kosa i Oceane, nifaninana teo amin’ny 50 m “brasse”. 34 s 65 ny fotoana vitany, tamin’ izany. “Nisy fiantraikany teo amin’ny vokatra azon’izy mianadahy ny hafanana be misy aty an-toerana. Teo koa ny halaviran’ny lalana mihazo ny toerana hipetrahana sy ny kianja hifanina­nana izay maharitra adiny iray”, hoy ny mpanazatra. Hatreto izany, mbola medaly iray ihany aloha no azon’ny Malagasy, dia ny norombahin’ny Makis Ladies, teo amin’ny rugby lalaovin’olona 7.

Tompondaka

Partager sur: