“Fampianarana mirindra, antoky ny fampandrosoana ny firenena”. Io ny lohahevitry ny lanonana nanokafana amin’ ny fomba ofisialy ny taom- pianarana 2026-2027 notanterahina tao Tsiroanomandidy, renivohitry ny faritra Bongolava, tamin’ity herinandro ity.
Nanambara ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, fa manome lanja ny mpampianatra sy ireo mpandraharaha misehatra eo anivon’ny fanabeazana ny fitondram-panjakana amin’ny fanampiana isan-karazany. Nanentana ny rehetra hanamafy ny firaisankina hiady amin’ny kolikoly sy hanatanteraka amim-pahamarinana ny andraikitra sahanin’ny tsirairay, ho fanatrarana ny fampianarana tsara kalitao, ny tenany.
Nilaza kosa ny lehiben’ny Faritra vonjimaika ao Bongolava, Manampisoa Faratiana Safeno Victoire, fa nanohana ny fanabeazana ny faritra nandritra ny enim-bolana nitantanany. Maro ny EPP efa am-perinasa nampiana. Teo koa ny fotodrafitrasa vao naorina niarahana tamin’ny fokonolona sy ny ray aman-dreny. Manao tolo-tanana amin’ny famaranana ny asa ny Faritra, ohatra ny fanomezana tafo handrakofana ny trano fianarana, simenitra hanaovana Dallage. Manampy ireo ny fampitaovana latabatra sy seza ho an’ny EPP sy CEG izay tsapa fa mila tohana.
Filaharana namakivaky ny tanànan’i Tsiroanomandidy, niainga teo amin’ny CEG Tsiroanomandidy, hatrany amin’ ny kianja maitso no nanatanterahana ny lanonana. Niara-nanadio ny kianja ny rehetra taorian’ny famaranana ny hetsika.
Ankoatra ny fanabeazana, nanatanteraka fampandrosoana amin’ny fanatsarana ny sosialy sy ny fanamboaran-dalana ny Faritra. Efa vita ny lalana mampitohy ny kaominina Ankadinondry sy ny kaominina Mahasolo. Mitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina ivelan’ny faritra Bongolava ny fahavitan’ny lalana. Mamaha ny olan’ny rano koa ny izy ireo ka nanamboatra lavadrano telo efa nahazoana rano madio azo sotroina. Momba ny fisitrahana herinaratra, mbola misy fahatapahana adiny efatra
isan’andro ao anatin’ny Faritra. Efa miresaka amin’ny tomponandraikitry ny Jirama ny mpitantana hifanampy hamahana ny olana.
Vonjy





