Nifantoka tamin’ny tetikasa vatsian’ny governemanta amerikanina vola, ny hanavaozana ny fiantsonan’ny fiaramanidina ao Andrakaka, Antsiranana, ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ ireo tomponandraikitra Amerikanina sy Malagasy tany an-toerana.
Teo ny jeneraly John Brennan, kaomandy lefitry ny fibaikoana ny Tafika amerikanina aty Afrika (US Africom), niaraka tamin’ny masoivoho Peter Vrooman, lefitra misahana ny
fiaraha-miasa eo amin’ny sivily sy ny miaramila (DCME) ary Tom Bevan, mpiandraiki-draharaha amerikanina.
Tetikasa manamafy ny fampidirana an’i Madagasikara ao anatin’ny fanazaran-tena “Cutlass Express 2027”, iarahan’ny firenena maro izy ity. Mikendry ny hanatsara ny fahaiza-mamantatra ny zava-misy eny an-dranomasina sy ny hetsika fiarovana mifanaraka amin’ny fitsipi-pifehezana iraisam-pirenena momba ny ranomasina, natao tany Djibouti.
Nodinihina ihany koa ny drafitrasa ahafahan’i Madagasikara mandray anjara bebe kokoa amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina manodidina.
Nitsidika ny tobin’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana sy ny seranan-tsambo ireo delegasiona amerikanina, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana malagasy.
Tatiana A





