“Mada Fiesta Party One”: Tonga ny vahiny, raikitra ny fampisehoana, anio

Anio hariva manomboka amin’ny 4 ora ny fampisehoana goavana “Mada Fiesta Party One”, hatao eny amin’ny Tribune Barea Mahamasina. Vonona ny mpikarakara, tonga ny vahiny.

Nigadona eto Madagasi­kara, omaly hariva, ny mpanakanto anisan’ny andrasana amin’ity hetsika goavana ity, tsy iza izany fa
i Bamby. Anisan’ny mpihira ma­laza vao avy namoaka ny rakinkira tamin’ny taona 2025 i Bamby, i Ambre Zamor no tena anarany. 11 taona izao no naha mpanakanto azy. Ny Dancehall, Afro, Shatta, Pop on no hiangalian’i Bamby izay gadona anisan’ny ankafizin’ny Malagasy ihany koa. Vonina­hitra lehibe ny hanao fampisehoana eto Madagasikara ho azy ary nambarany omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, fa hanome ny tsara indrindra ho an’i Madagasikara izy. An­koatra azy, efa tonga talohany eto Madagasikara ihany koa i Neiman ary efa an-dalana ireo artista vahiny hafa. Naneho ny fahavononany ihany koa ny mpikarakara ary hahita seho miavaka ny eto Antananarivo, amin’ity andiany voalohany amin’ny Mada Fiesta ity. Ity farany izay mpikarakara fampisehoana, ny mampiavaka azy dia ny fanafarana mpanakanto vahiny ho avy eto Mada­gasikara. Ny hanome fahafaham-po ny vahoaka malagasy no tanjona ho an’ny Mada Fiesta mba tsy ho voatery handeha any ivelany vao afaka hijery fampisehoana ataon’ny artista vahiny. Artista malagasy mihoatra ny 10, ankoatra ireo artista vahiny, no hanome lanja ny fampisehoana. Malagasy mpanakanto kalaza avokoa no hiaka-tsehatra anio, amin’ity “Mada Fiesta Party One” ity. Ho avy ao Big Mj, Wawa, Agrad, Mad Max, Rim ka, Rijade, Wada & Youngs, Anatal, Ckycky ary Muamar. Amin’ny 4 ora hariva no hanomboka ny fampisehoana ary haharitra mandra-maraina. Ho afapo, araka izany, ireo mpijery, hoy ny mpikarakara.

Mi.Raz

Partager sur: