TSELATRA

Mpandeha iray naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo mpanakan-dalana teny amin’ny RN7, teo anelanelan’i Camp Robin sy Anteza, omaly maraina tamin’ ny 2 ora. Niezaka niaro ny kitapo teny aminy ity mpandeha ity rehefa nosakanan’ny dahalo ny fiara. Nentina notsaboina ao amin’ny hopitaly Tambohobe Fianarantsoa izy.
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny ombiasy mpanao fanafody ratsy fampiasan’ireo dahalo ao Fa­ra­fangana, afakomaly. Sarona tao amin’ny tanànan’Amba­lafatsy, kaominina Iabohazo, ity ombiasy ity. Nahitana ody ratsy maro sy moara tao aminy.
Olona roa nahatrarana rongony milanja 31 kg tao Analamangily, distrikan’i Besalampy, sy Tsararano ambony, kaominina Mahajanga, afakomaly. Nokasaina hamidy ireo entana ireo. Notanana vonjimaika ny tompon’antoka sy ny olona iray hafa. Nogiazana ny rongony.
Lehilahy nisy namono naterin’ny olona tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ao Fort-Dauphin, omaly. Nisy namono ny andron’ny alakamisy 5 novambra lasa teo izy, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra ny nahavanon-doza.

Partager sur: