Olona 28 nosamborin’ny polisy nandritra ny hetsika « Task Force » teto Antananarivo Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tamin’ireo voasambotra nahatrarana fitaovam-piadiana, namily moto na fiara miaraka amin’ny hamamoana ary nisy tsy nitondra kara-panondro. Natao mba hampanarahan-dalàna ny vahoaka sy hisian’ny fandriampahalemana ity hetsika ity.
Mpanao taxi-moto voasambotry ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, afakomaly. Mody manofa moto ity lehilahy ity ka aorian’ny fifanaovan-tsonia mirakitra ny fifanarahany sy ny tompona moto, tsy hita intsony izy miaraka amin’ny moto. Nokarohina izy ka hita tao amin’ny toeram-pisotroana telo herinandro taorian’ny nanjavonany. Tratra ny lehilahy iray hafa mpiray tsikombakomba sady mpanafina azy.
Zazavavy 10 taona naolan’ny mpitondra taxi-moto tao Savahonda Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny 1 novambra lasa teo. Hanao fialantsasatra any amin’ny rainy ity zaza ity ka nampitondraina taxi-moto, ny alahady 1 novambra. Tsy nety entin’io mpanao taxi-moto io intsony izy rehefa hiverina amin’ny reniny. Nanazava ny nahazo azy. Notoriana ny nahavanon-doza.





