Firenena Japoney : nanome 285 tapitrisa Ar ho an’ny judo malagasy

Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny firenena japoney. Tetikasa famatsiana fitaovana ho an’ny taranja judo, mitentina 285 tapitrisa Ar no nosoniavina, omaly, tetsy amin’ny Hotel Le Louvre Antaninarenina.

Nanolotra izao fanampiana ara-pitaovana izao ho an’ny Federa­siona malagasin’ny judo, ny firenena Japoney, noho ny fahatsapany ny lanjan’ny Judo. “Manana fahaiza-manao am­bony sy tsara ny atleta mala­gasy, hitako izany nandritra ny Tournoi de Toussaint”, hoy ny nambaran’ny Ambasa­dao­ron’i Japon miasa eto Mada­gasikara, SEM Abe Koji. Izany indrindra no nandrisika ny firenena japoney hanolo-tanana hanome fitaovana hahafahana manatsara izay fahaiza-manaon’ny Judokas malagasy izay. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny spaoro, eo anivon’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahan­tena, Rakotozafy Rosa, fa zava-dehibe ho an’ny mpanao fanatanjahantena ny fanohanana hatao azy ireo, anisan’izany izao fanomezana fitaovana izao. Tsy famatsiana fitaovana ihany, hoy izy, ny efa nifanampian’ny firenena mala­gasy sy ny firenena japoney fa efa nisy ihany koa ny fandefasana manam-pahaizana tsara sitrapo nanome fiofanana, indrindra teo amin’ny taranja. Nisaotra sy nidera ny fiaraha-miasan’ny roa tonta Rakoto­zafy Rosa. Nanolotra izay fisaorana izay ihany koa ny Federasiona malagasin’ny judo. “Manome ny fepetra rehetra hahazoana vokatra tsara ho an’ny Judokas mala­gasy ny firenena japoney, mampiakatra ny lentan’ny mpikatroka ary mampisongadina an’i Madagasikara amin’ ny firenena hafa”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny judo, Said Bruno Eric.

Hapetraka ao amin’ny Dojo nasionaly
Fitaovana maro ilaina amin’ny taranja judo, toy ny tatami miisa 200, fitaovana fikotranana maro (haltères, sacs de sable, kettlebells,…), “matériaux de fixation”, “rembourage des tatamis”, racks de stockage de matériel,…no hovidiana amin’io vola natolotra io. Nomarihin’ny filohan’ ny FMJ tsara fa hampiasaina ao amin’ny Dojo nasionaly izay hitsangana tsy ho ela, ireto fitaovana ireto. Hano­ma­nan’ny ekipa nasionaly ny fifaninanana goavana rehetra miandry. Araka ny efa nampanantenain’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, ao ambany gradin etsy amin’ny Kianja Barea no havaozina sy hametrahana ity Dojo nasionaly ity.

Mi.Raz

Partager sur: