Lazaina fa miady an-trano. Ambara fa tsy mitovy hevitra. Tena nifanambana basy mihitsy, hono! Maro ny resabe mandeha amin’ny fifandraisan’ireto filoha dimy lahy napetraka hitondra ilay Madagasikara ireto. Mbola miampy aza izany tato ho ato, mahakasika ny tsy fahatazatazanana ilay kintana iray, tao anatin’ny andro vitsy monja. Navadika hoe sao iny no ilay mpamadika? Tena tia resabe tsy misy fotony ilay Malagasy sasany.
Tsy mahazo manjavona fa mila mifampitaritarika etsy sy eroa ve? Mila manazava sy miteny foana na hamonjy trano fidiovana aza izany izao rehefa mpitondra? Tsy tokony hifototra sy hihidy ny fomba fisainan-dRamalagasy. Misahirana amin-draha tsy mahasoa. Variana amin’ny ravindravina atentina, tsy mahatsapa fa mbola mila kotrokotrohana anie ilay tena fanavaozana nitolomana sy andrasana amin-dry zalahy.
Ny fanavaozana toe-tsaina sy fomba fisaina aloha izao no mahamaika. Alohan’ny zava-drehetra, mila apetraka ny fitsipi-dalao, faritana ny filana maika sy fototra manoloana ireo nitolomana. Tsy tokony handaniana rondoha akory izay fifandraisana manokana amin-dry zalahy. Mila manangona angovo miabo ho fiatrehana ny fanamby andrandrain’ny vahoaka tsivakivolo.
Fehiny, mila hirotorotoana ny asa mivaingana na eny anivon’ny mpitondra na ny vahoaka entina. Mifameno sy tokony hifanohana ny herivelona rehetra manoloana izay andrasan’ity firenena mamintsika rehetra ity. Tsy kabary sy endrika ivelany, manome kisary hosoka ana fahombiazana fotsiny fa bainga voavadika ho porofon’ny fandraisana andraikitra. Mila fiaraha-mientana fa tsy lany andro misahirana amin-draha tsy manjary.
r.r





