FEA-GFEM : Vehivavy mpandraharaha miara-mandroso

Feno 10 taona ny fikambanan’ny Vehivavy mpandraha­raha Analamanga (FEA), sampana ao anatin’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). Han­kalaza izany izy ireo ny 26 novambra ho avy izao, eto Anta­nanarivo. Miisa 200 ny vehivavy mpandraharaha handray anjara amin’ny hetsika, tafiditra ao anatin’izany ny Vehivavy mandraharaha (Women in Business), ny WIB andiany fahe­fetra. Lohahevitra horaisina ny hoe: « Miara-miainga » na « Upgrade together ». Nambaran’ny filoha nasionalin’ny GFEM, Ramatoa Razakaboana Fanja, fa « ankoatra ny fihaonam­ben’ny mpikambana, sehatra hifankahitana sy hifankaha­lalana koa ny WIB. Hifampizarana traikefa, hikarohana lalam-barotra sy tsena, hampiroboroboana ny ambahindahin’ny toekarena ».
Nanamafy ny filohan’ny FEA, Ramatoa Rakotomalala Tantely, fa « tanjaka ho anay ny fahamaroana sy ny fahasamihafan’ny seha-pihariana ataon’ny mpikambana. Mizara telo ny sokajina mpandraharaha. Eo ny vao misantatra (Pépinières), ny efa mihodina sy mamokatra (Propulseurs) ary ny efa matanjaka (Locomotives) izay afaka misintona ny aoriana ». Manohana ofisialy ny hetsika ny Acces Banque sy ny banky Bred Madagasikara, otronin’ny mpiara-miombon’antoka marobe.

Njaka A.

Partager sur: