Hack’Her : Handrisihina ny tovovavy hisehatra amin’ny Stem

Mampirisika ireo tovovavy hiditra amin’ny sehatry ny Stem (sciences, technologies, ingénierie et mathématiques) ny fifaninanana « Hack’Her » karakarain’ny Yas Madagascar amin’ny alalan’ny fandaharanasa She Rise. Hatao ny 12 sy 13 desambra 2026 ho avy izao ny fifaninanana.
« Vitsy ny vehivavy miasa amin’ny sehatra teknika eto Afrika. Mahavita izany asa izany mitovy amin’ny lehilahy anefa izy ireo », hoy ny talen’ ny fitantanana ny mpiasa (DRH) ao amin’ny Yas Mada­gascar, Rajaofera Gaël Voca. Misokatra ho an’ireo tovovavy 18 taona no ho miakatra ity fifaninanana ity. Tsy maintsy mpianatra eny amin’ny oniversite mpiara-miombon’antoka amin’ny Yas sy ny vondrona Axian ny mpifaninana. « Hano­lotra hevitra vahaolana niomerika mifanaraka amin’ny olana sedrain’ny fiarahamonina ny mpandray anjara, hidirany amin’ny tontolon’ny fandra­harahana », hoy ny tale jene­ra­lin’ny Yas Madagascar, i Benoit Janin.
Mifarana ny 29 novambra amin’ny 23 ora sy 59 minitra ny fisoratana anarana. Ham­bara ny 2 desambra ireo mpi­faninana folo tafakatra amin’ny dingana manaraka. Hisy fiofanana mandritra ny dimy andro ho an’ireo tafakatra famara­nana. Hifantoka amin’ny faharanitan-tsaina artifisialy sy ny fitantanana tetikasa izany. Hanampy azy ireo hamolavola prototype sy hiaro ny tetika­sany eo anatrehan’ny mpitsara koa ny mpanazatra. Hahazo fiofanana arakasa, finday ary tolotra internet ireo mendrika. Hisy ihany koa ny fahafahana manao andran’asa karamaina mandritra ny enim-bolana ao amin’ny Yas Madagascar.

Henintsoa

Partager sur: