Notanterahina nandritra ny hefarana, tany Dakar, ny hetsika Speak up Africa Day 2026 andiany fahatelo, natrehin’ny olona 400. Nahitana mpitondra fanjakana, mpanohana ara-teknika sy ara-bola, firaisamonim-pirenena, tanora, vehivavy mpitarika izany. Sehatra fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-miasa manodidina ny fahasalamana, fanabeazana, haivao… ny fotoana. Teo amin’ny fahasalamana, anisan’ny niompanan’ny dinika ny fiaraha-mientana hanafoanana ny aretina tazo aty Afrika. Ilaina ny fampitambarana ny fivoaran’ny fikarohana ara-pitsaboana sy ny fanapahan-kevitra politika ary ny vola hanatanterahana ny voka-pikarohana, hoy ny tomponandraikitra amin’ny fandaharanasa nasionaly miady amin’ny aretina tazo. Manana anjara toerana amin’ny fanafoanana ny aretina ny sehatra tsy miankina ary misy orinasa efatra lehibe efa mitondra ny anjara birikiny amin’izao fotoana izao.
Niorina ny taona 2011, tany Dakar, ny Speak up Africa. Tanjona ny hanome sehatra ny kaontinanta afrikanina sy handrisika ny famatsiana vola ireo tsirin-kevitra mitondra fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka ao aminy.
Vonjy





