Anisan’ireo niatrika ny fivoriambe ara-potoan’ny Caf, tany Nigeria, ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena ankehitriny, i Gianni Infantino. Nilaza izy fa hanohana sy hikatsaka mandrakariva ny fampivoarana ny taranja baolina kitra eto Afrika.
Nisongadina tamin’izany ny fampiakarana ny tohana ara-bola ho 25 tapitrisa dolara na 108 miliara Ariary isaky ny federasiona raha mbola ho voafidy hitantana ny Fifa indray ny tenany, ka hanomboka ny taona 2027 no hihatra izany. Tsiahivina fa 4 tapitrisa dolara na 17 miliara Ariary ny fanampiana azon’ireo Federasiona tamin’ity fe-potoam-piasana ity.
Marihina fa ny fivoriambe ara-potoana sy hifidianana an’izay ho filohan’ny Fifa dia hotanterahina ny 18 marsa 2027, any Rabat Maroc. Ankoatra an’i Gianni Infantino, nirotsaka ho kandidà hifanintsana amin’izany koa i Philippe Diallo, mpitantana ny Federasionin’ny baolina kitra frantsay (FFF) sy ny filoha am-boninahitra ny rafitra federalin’ny baolina kitra japone, i Kohzo Tashima.
Ampahafantarina koa fa anisan’ireo nanatrika ity fivoriambe tany Nizeria ity ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred.
Fitia Randria





