Niatrika ny “Codis” ireo filohan’ny ligy dimy tsy manaiky ny nahalany an-dRakotomalala Marcel. Nangataka fanazavana momba ny hetsika nataon’izy ireo ny teo anivon’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezana.
Tsy mbola nivoaka ny sazin’ireo filohan’ny ligy dimy mpanohitra an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Saingy mbola hodinihin’ny kaomisiona misahana ny fitsipi-pifehezan’ny fanatanjahantena ny fiarovan-tenan’izy ireo. Anisan’ireo niatrika izany ny filohan’ny ligy Betsiboka, Menabe, Ihorombe, Atsinanana, Vakinankaratra. Niakatra ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana na “conseil de discipline” izy ireo, omaly, teny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby Ankorondrano. Naharitra ora dimy ny fangalana am-bava azy ireo. Anisan’ny noresahina nandritra izany ny fangatahana fanazavana mahakasika ny filanjana sora-bavety teny amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena Ambohijatovo. Hetsika izay mivoana tanteraka ny lalàna mifehy ny fanatanjahantena. Nanontaniana azy ireo ny antony tsy nanatrehany ny fifidianana izay natao tany Toliara, izay adidin’ny filohan’ny ligy ny manatrika fifidianana.
Noresahina tao ny fanakorontanana nataon’ireo filohan’ny ligy tao anaty tambajotran-tserasera. Tsiahivina fa mitaky ny hanalana an-dRakotomalala Marcel eo amin’ny filohan’ny Malagasy Rugby ny tanjon’izy ireo. Miampy ny fitakiana ny hanaovana ny fivoriambe tsy ara-potoana. Marihina fa efa nankatoavin’ny World Rugby ny fitantanan-dRa-Marcel ny rugby eto amintsika nandritra ny fitsidihana nataon-dRamatoa Coralie Van den Berg teto Madagasikara, ny volana febroary lasa teo.
Nomen’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ho an’ny filohan’ny Malagasy Rugby ny taratasy fahazoan-dalana na “certificat de conformité”, hitantana ny taranja rugby. Hanatrika ny fivoriambe ny Afrika Rugby izay atao any Afrika Atsimo, ny 18 marsa ho avy izao Rakotomalala Marcel.
Fitia (Mpianatra asa)