Efa tena tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 23 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao, ireo rantsa-mangaika rehetra. Niaraka nivory nandinika ny lafiny ara-teknika, ny talata lasa teo, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena sy ny federasiona isan-tsokajiny. Nanatrika ity fivoriana ara-teknika ity teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, avokoa ireo Tale teknika nasionaly isaky ny taranja hifaninanana.
Nisongadina nandritra izany ireo fandaminana ara-teknika sy ny mahakasika ireo fitaovana rehetra ilaina hapetraka eny amin’ny ivontoerana izay hampiasaina handraisana ny fifaninanana. Nitarika izany fivoriana izany ny Tale jeneralin’ny Fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa sy ny Tale jeneralin’ny Tafita, Rakotoarimanga Eric, notronin’ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny minisitera. Ny Sekretera jeneralin’ny Komity olympika malagasy, Randriamanarivo Harinelina kosa no nisolo tena ny KOM.
Nohamafisin’ny MJS fa hanainga tsy ho ela ihany koa ireo atleta andiany faharoa hiatrika fiofanana any ivelany, ho fanomanana ity andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy ity.
Mi.Raz