Misongadina tanteraka ny ekipan’ny GNVB lehilahy, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, tontosaina ao Maorisy. Tafapetraka eo amin’ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C izy, taorian’ny lalao natrehana omaly. Nahazo fandresena nanoloana ny Quatre bornes Volley ball Maorisy, tamin’ny seta 3 no ho 1(25-22, 23-25, 25-12, 25-23), ny ekipan’ny zandary. Lalao nanjakan-dry Andry sy ny namany tanteraka satria na dia azon’ny Quatre Bornes aza ny seta faharoa dia isa 2 fotsiny ny elanelana. Tsiahivina, nandresy ny Volley ball Club de Saint Denis, La Réunion, seta 3 no ho 0 ny GNVB, tamin’ny andro faharoa, raha toa ka nivoaka mpandresy noho ny tsy fahatongavan’ny mpifanandrina taminy izy ireo, ny andro voalohany.
Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, samy laharana faharoa ao amin’ny vondrona misy azy avy ny Stef’Auto sy ny GNVB, rehefa samy resy indray mandeha avy. Hifantoka tanteraka amin’ny dingana famaranana indray, manomboka anio, ireto ekipa malagasy ireto, izay samy manantena vokatra tsara avokoa.
Mi.Raz