Anatin’ny fanomanana ny andron’ny 08 marsa, andron’ny vehivavy maneran-tany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Hiavaka sy hiompana be dia be amin’ny maha olona ny hetsika. Efa miomankomana ny mpikarakara avy any amin’ny faritra handefa solontena. Ny vadin’ny mpitandro filaminana no efa misantatra izany anio, eny amin’ny kianja Barea, miaraka miombom-bavaka amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Ramatoa Rajoelina Mialy.
Santatra am-bavarano, miampy ny hetsika efa natomboka miaraka amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny minisiteran’ny Fahasalamana izany. Ny manetsabe mbola ho avy, satria efa misy nanainga ny delegasiona, avy amin’ny tany lavitra sy saro-dalana. Hisorohana ny mety ho fahatarana izany. Mbola anatin’ny vaninandro avy orana rahateo ny eto Madagasikara.
Samy somebiseby sahady ny andriambavilanitra, amin’ny fankalazana. Saingy anio, andro vitsy mialoha ny fihaonambe. Tsy azo atao ny mangina sy mikombom-bava amin’ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy, mahakasika ny sokajin-taona rehetra. Firifiry ireo reny, kotsan-dranomaso, miafina anaty mangingina noho ny fampijalina mihatra aminy na ara-batana na ny lafiny moraly. Mafy izany latsalatsa sy levilevy, zakaina andro aman’alina na inona na inona zavatra sy fihetsika atao. Mangaina isak’izay mahavita ezaka kely, tsy mahazo sitraka fa toa lazaina fa miseho « milay ».
Ô rey olona ! Maro ny raim-pianakaviana, faly mahita ny andefimandriny resin’ny fiainana. Asa, mba hahafahana manindry sy mifehy azy ary manao izay tiana hatao ve ? Sady mahonena no mahalatsa-dranomaso, mijery ny ezaka atao ao an-tokantrano toa raraka an-tany. Maro ny mizaka hazofijaliana sy afobe raha mitady ny fomba mba hivelarana. Tsy mety resy lahatra ny lehilahy sasany, fa fiainana sarotra izao tsy maintsy miandahy miambavy ny fampivelarana sy fanatsarana ny ao an-trano.
Izay indrindra no hanaovana antso avo, amin’ny herivelona rehetra mba samy hanao ady sisika mba ahafahan’ny vehivavy misitraka ny zo feno tokony hananany. Tanjona ny fampahafantarana fa tsy sanatrian’ny vava akohovavy maneno na mandrefy ny vady raha mba mandray anjara amin’ny adidy eo anivon’ny ankohonana.
Marina fa ny lahy no lohan’ny vavy saingy tsy tokony hatao higejana ny vehivavy izany. Marolafy ny ezaka tsy maintsy hatao mba hanampiana ny vehivavy hizaka tena. Tsy ho ilay vehivavy mpiankin-doha lava fa mpisehatra fototra amin’ny lamina rehetra ao an-tokantrano. Mazava ho azy fa tsy ho mpanao raharaha na ilay ho ravaky ny tokantrano fotsiny intsony.
Tsy mora fa mila toe-tsaina manaiky fivoarana izany !
r.r




