Volley-CAVBZone 7: tafita amin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy

Solontena malagasy tokana hiatrika ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, ny GNVB vehivavy. Samy raraka teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa ny Stef’Auto sy ny GNVB lehilahy.

Hiatrika ny lalao manasa-dalana, anio, ny ekipan’ny GNVB (Gen­darmerie nationale de Volley ball), sokajy vehivavy, rehefa nibata ny fandresena tamin’ny seta 3 no ho 0, nanoloana ny ekipan’ny Moineau Volley PE La Réunion. Lalao natao tao amin’ny kianja mitafon’ny Navin Soonarane ao Maorisy, omaly. Nanan-danja kokoa teo amin’ny herijika ny ekipan’ny GNVB ary nazava ny fandresena. Nanana fahatokisan-tena ihany koa ireo mpilalao, na dia vao sambany nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity aza. Efa tsara io vokatra io, ho an’ny GNVB vehivavy, raha ny nambaran’ny mpanazatra saingy mbola hanao tsara kokoa amin’ny dingana manasa-dalana.

Resy avokoa ny tompondakan’i Madagasikara

Tetsy ankilany, samy tsy tafakatra amin’ny manasa-dalana avokoa ireo ekipa tompondakan’i Madagasikara la­hy sy vavy, ny GNVB sy ny Stef’Auto. Niady tena niady ny lalao natrehin’izy ireo, saingy nanao ny tsy nambinina ka nitsahatra teo amin’ny ampahefa-dalana ny lalan’izy ireo. Ho an’ny Stef’Auto, niondrika teo anatrehan’ny ekipan’ny Quatre bornes Volley ball Maorisy, ry Lalah sy ry Rojo. Seta 3 no ho 2 no nisarahan’ny roa tonta rehefa tonga hatramin’ny “tie break” mihitsy ny fihaonana. Na izany aza, tsy kivy ny mpilalao ary naneho ny tsy fahafaham-po kely teo amin’ny lafiny fitsarana. Ho an’ny GNVB lehilahy kosa, niady mafy ihany koa izy ireo saingy resin’ny Tampon Gecko Volley ball sportif La Réunion, tamin’ny seta 3 no ho 2 ihany koa (tie break).

Mi.Raz

 

Partager sur: