Barea Can 2024: niteraka resabe ny lisitra navoakan’i Dupuis

Nahagaga ny mpankafy baolina kitra ny lisitr’ireo mpilalao Barea miisa 30 lahy navoakan’i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, ny alarobia 1 marsa lasa teo. Tafiditra ao anaty «pré – liste» ireo mpilalao efa nilaza fa tsy hanao ekipam-pirenena intsony. Anisan’izany ry Jeremy Morel, Abel Anicet. Tsy ao anaty lisitra Randriamamy Mathyas, mpiandry harato, novolavolaina tao amin’ny Paris Saint-Germain FC, klioba frantsay. Tsy voaantso i Voavy Paulin, mpilalao malagasy kalaza.
Tsiahivina fa ny 28 mey 2022, nanao fanambarana i Abel Anicet fa handeha hisotro ronona amin’ny ekipam-pirenena. Ny 27 septambra 2022, nanapa-kevitra ny tsy hanao baolina amin’ny sehatry ny matihanina intsony i Morel. Nametra-panontaniana ireo mpankafy baolina kitra malagasy. “Sao misy resaka ambadika ataon’ny mpanazatra ?” hoy ny mpankafy iray. Nisy ireo naneho hevitra ny hanoloana ny toeran’izy mirahalahy, mba hahafahana ma­nome sehatra ny mpilalao zandriny toa an-dRandria­ma­my Mathyas. Mpiandry harato roa no ao anaty lisitra, Nina sy Melvin.
Marihina fa tsy anisan’ireo mpilalao handrafitra ny Barea i Voavy Paulin na Rainilaikely. Ho fantatra ny alatsinainy 6 marsa ho avy izao, ireo mpilalao 23 handrafitra ny Barea hihaona amin’i Centre Afrique. Lalao hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, etsy Mahamasina.

Fitia (Mpianatra asa)

Ny lisitra navoakan’i Dupuis

Mpiandry harato :
Rakotoasimbola Nina (Elgeco plus)
Melvin Adrien (Thonon Evian)

Vodilaharana :
Manoelantsoa Ando na Ando pro (JSSP)
Rakotondrazaka Ando na Ando racap (Disciples FC)
Ouassiero Sylvio (F91 Dudelange)
Jeremy Morel (US Montagnarde)
Rabarijaona Avotra na Dadafara (CFFA)
Boto Van Kenji (Auxerre AJ)
Fontaine Thomas (Genclerbirgil i SK)
Rakotonirina Jean Martin na Datsiry (Elgeco plus)
Razafindraibe Berajo (Jet Kintana FC)

Irakiraka
Anicet Abel (Macabi Bnei Reineh)
Andriamirado Arohasina na Dax (Fosa Junior FC)
El Hadari (St Michel United)
Dorian Bertrand ( FC Arges Pitesti)
Rafanomezantsoa Lalaina (CFFA)
Lapoussin Loic (RU Saint Gilloise)
Ilaimaharitra Marco (Sporting Charleroi)
Rakotoharimalala Njiva (Al- Jandal SC)
Razafindranaivo Koloina na Rakoul (MC Alger)
Raveloson Rayan (Auxerre AJ)
Randriambololona Zotsara (FC Balti)
Randriantsifera Tokinantenaina na Tsiry kely (Fosa Junior FC)
Amada Ibrahim, kapitenin’ny Barea (Al Qadsiah)
Andriamanjato Rojolalaina na Rojo be (Saint Pauloise FC)

Lohalaharana
Ramalingom Alexandre (Sedan)
Razafindrakoto Jean Yves (Fosa Junior FC)
Abdallah Hakim (RE Vitron)
Julio Donisa (FC Arges Pitesti)
Randrianantenaina Arnaud (EL Gouna)

Partager sur: