“Miaina ary fitaratry ny fiarahamonina ny anjara asan’ny teatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Compagnie Miangaly, Razafiarison Fela, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Manana ny anjara asany ny teatra ary tokony homena sehatra sy anjara fitenenana. Anisan’ny mampivelatra ny kolontsaina sy ny firenena ary ny maha olom-pirenena ny fanaovana izany. “ Ahafantarana ny toe-pahasalamana sy hahafantarana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena ny fijerena izany”, hoy hatrany izy.
«Mbola misy ny teatra fa efa foana ny toerana hampisehoana sy hilalaovana izany eto Madagasikara», hoy ny filohan’ny fikambanana taloha, Ramanantsoa Christine. “Mavesatra ny mampivelatra ny fanaovana teatra noho ireo tsindry maro samihafa mahazo ny zavakanto sy ny kolontsaina rehetra eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa tsy mahazo sehatra ny fanaovana sy fampisehoana ny teatra sy ny zavakanto iray manontolo mihitsy eto amin’ny Nosy. “Mampiseho ny zava-misy marina iainan’ ny vahoaka ny teatra ka atahorana ny manome sehatra izany”, hoy hatrany izy.
Milalao eny ankalamanjana sy eny an-toeran-kafa izy ireo na tsy misy aza ny sehatra sy ny toerana natokana ho an’izany.
Mitaky ny toerana fampisehoana
Miady ny toerana hampisehoana an-tsehatra ny teatra ireo fikambanana. Marihina fa efa nisy ny fangatahana nataon’izy ireo tamin’ny tomponandraikitra maro samihafa eto amin’ny Nosy. Mba hamahana ny olana sy hanandratana ny kolontsaina Malagasy, hanolotra hetsika maro mikasika ny teatra ny Compagnie Miangaly mandritra ity volana marsa ity.
Nampitondraina ny lohahevitra hoe : «Rallye mois théâtre». Anisan’izany, ny «Haine dépendante, grain de sel» …
Fotoana iray hampisehoana ny hetsika ataon’izy ireo eto Antananarivo io. Tanjona ny hampisehoana ny lanjan’ ny teatra sy ny kolontsaina iray manontolo.
Mino (mpianatra asa)




