Slam Tana : manomboka ny fifaninanana ho an’ny matihanina

Atomboka amin’ny fomba ofisialy, mandritra ny fampisehoana ao amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, ny hetsika “Slam mastering contest de Tanà”. Fampisehoana isan’ny sangany, indrindra ho an’ny mpiangaly Slam. Miisa 5 ny mpifaninana. Hisy ny loka avy amin’ny Ma­da­gaslam section Tana (MST) atolotra ho an’ny mpandresy.
Fifaninanana Slam iha­onan’ny efa kalaza eo amin’ity taranja ity ny ” Slam mastering contest de Tana”. Hiava­ka kely ny fomba fitsarana. Anisan’ny mitsara ny mpijery. Ankoatra izay, hifandimby hanentana ny fampisehona Slam karakarain’ny MST ireo mpandray anjara dimy ireo. Isaky ny faran’ny volana no hamoahan’ny mpikarakara ny filaharan’izy ireo. Nanambara i Tajero, mpikarakara fa mitohy hatrany ny fikarakarana hetsika ho an’ny mpiangaly Slam. Ezaka ho an’ny mpikarakara ny manao fampisehona sy fifaninanana ho an’ny sokajy rehetra ho fampitomboana lenta ny tsirairay.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: